Antananarivo faha-24 Martsa 2026
Manoloana ny Tatitry ny Fitsarana momba ny Kaonty izay namoaka ny vokatry ny fitsirihana nataony momba ny fitantanana sy ny fandaniam-bolam-bahoaka teo anivon’ny Ministera maro nandritra ny taona 2021-2025 ka nampitsikafona ireo fomba fitantanana tsy ara-dalàna, tsy mahomby ka ahiana ho fanodikodinam-bola sy kolikoly ary fanomezana vahana tombontsoan’olombitsy ka nahavery ny vola mitentina latsaka kelin’ny 4,000 Lavitrisa Ariary (1/4 ny teibolam-panjakana taona 1) dia manao izao fanambarana voalohany izao ny Firaisamonim-pirenena Malagasy manao ity Fanambarana ity :
- Mankasitraka feno ny vokatry ny asa tsara kalitao sy matihanina navoakan’ny Fitsarana momba ny Kaonty tao anatin’ny fahasahiana sy ny fahaleovantena ary ny fahitsiana. Tsapa ny finiavana hiaro ny tombontsoan’ny firenena sy ny malagasy manoloana ireo gaboraraka amin’ny fitantanana manome vahana tombontsoan’olombitsy. Manohana ary vonona hiara-miasa amin’ny Fitsarana momba ny kaonty amin’ny fanatanterahana ireo tolokevitry navoakany tamin’ny tatitra ary ny hiaro izany mba tsy ho arodan’ireo tsy tia fanavaozana.
- Hita sy tsapa fa anton’ny lehibe mahatonga ny tsy fetezana sy ny tsy fanarahan-dalàna hita tamin’ireo Ministera maro ny fomba fiasa eo anivon’ny Ministeran’ny toekarena sy ny vola ankoatry ny efa tsy fahaiza-miasa sy tsy fanarahan-dalana eo anivon’ny Ministerany manokana toy ny : fanomezana tombontsoa ireo mpiasan’ny Ministera amin’ny kaonty ivelan’ny tetibolam-panjakana ankapobeny na koa ireo fandoavam-bola tamin’ny foto-drafitr’asa na asa mbola tsy vita na indraindray tsy nisy akory. Antony lehibe nahafahan’ny Fitsarana momba ny kaonty nanao ny asany an-kalalahana sy matihanina ny fisokafana nataon’I Ministry ny toekarena sy ny vola teo aloha izay tsy “promotion interne” na niainga avy ao amin’ny Ministera fa olona manam-pahaizana ivelany mahasahy manao mangarahara satria tsy manahy na tsy matahotra ny ho voasaringotra amin’ny tombontsoa manokana ka hifampiaro amin’ny zavatra tsy mety. Taloha mantsy ny Fitsarana momba ny kaonty raha mangataka hiditra na hitsiraka ireo fandaniana sy fomba fitantanana teo anivon’ny Ministeran’ny toekarena sy ny vola dia arirarira ary tsy omena fahafahana hanao izany satria mifampiaro ny tambazotran’olombitsy isan’ambaratongany mahazo tombontsoa manokana.
Noho izany, dia manao sosokevitra sy mitaky amin’ny Filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiministra vaovao izay manao lokaloka ny hiasa ao anatin’nny fahitsiana sy ny mangarahara ary vonona ny hiady amin’ny kolikoly sy ny fanodikodinam-bolam-bahoaka izahay Firaisamonim-pirenena mba ho tazomina izay traikefa tsara izay ka ho toy ny teo aloha ihany : “olona ivelan’ny mpiasan’ny Ministera/tsy fôksioneran’ny MEF fa “Olona ivelany” manana ny “fahaiza-manao ilaina”, “vonona amin’ny mangarahara tanteraka“ ary sahy “miady hevitra sy manazava ny politikam-panjakana momba ny toekarena sy ny fitantanam-bola” atolony no ho Ministry ny toekarena sy ny vola.
Heverinay fa antoka izany ahafahana manatanteraka ny fanavaozana ny fitantanana miainga amin’ny tolokevitra voatsoaka sy ifanarahana natolotry ny Fitsarana momba ny kaonty tao anatin’ny tatitra nataony, ka hanena na hanakana ny fandaniam-poana sy ny fanodikodinam-bolam-panjakana.
