17 martsa 2026,
“Tsy handray anjara amin’ny fanoloana ireo mpikambana ao amin’ny CENI ny Firaisamonimpirenena fa hiroso amin’ny fitarihana sy ny fanatsarana ny zotram-pifidianana iray manontolo”.
Ny Firaisamonim-pirenena malagasy dia mijoro foana hitondra fanitsiana mba hitondra fanavaozana eto amin’ny Firenena. Isan’ny zava-dehibe amin’izany ny fanavaozana ny rafi-pifidianana sy ny lalàna ary ny fikarakarana ny fifidianana.
Ny Firaisamonim-pirenena malagasy dia efa nanambara foana fa tokony foanana ary havaozina tanteraka ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana – CENI (rafitra sy ny olona) satria raha ny rafitra CENI amin’izao fotoana izao dia tsy azo itokisana ary tsy afaka mitarika ny fanavaozana ny zotra sy ny lalàna ary ny rafi-pifidianana velively.
Isaorana noho izany ireo Mpikambana (Kaomisera) 8 nandrafitra ny Biraon’ny CENI nahatsapa tena fa tokony tsy manana andraikitra amin’ny fitarihana ny dingana fanavaozana ny rafi- pifidianana intsony. Satria heverinay fa fandaniam-bolam-panjakana amin’ny tsy antony no mbola nanohizany ny andraikiny ary toy izany koa no mbola zava-hitranga na hanolo aza amin’io
Rafitra CENI amin’izao fotoana izao io. Ny fisian’ny Filoha vaovao izay efa fantatra ihany koa ny fomba fandraisany andraikitra tamin’ny CENI teo aloha dia tsy miantoka velively fahatsarana kokoa amin’ny fitantanana ny fanavaozam-pifidianana. Ny fanendrena maimaika azy avy any amin’ny Antenimieram-pirenena sy ny fametrahana azy ho Filoha tamin’ny hamehana aza dia efa mampametra-panontaniana amin’ny fahafahany mitarika sy mijoro ao anaty tsy fitanilàna.*
Noho izany dia heverinay firaisamonim-pirenena ary anaovanay antso avo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana fa tsy ilaina ary tsy lahara-pahamehana velively ny fanoloana ireo Mpikambana maharitra/Kaomisera mandrafitra ny Biraon’ny CENI. Ny fanafoanana ny Birao maharitra aza no
tokony atao ka ireo Mpanatanteraka no mampihodina amin’ny farafahakeliny ny Rafitra mandra-pahatongan’ny Rafitra mpikarakara ny fifidianana avoakan’ny Fanavaozana. Ny firaisamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fifidianana, ny demokrasia ary ny haitondra mahomby dia vonona ny hamaly ny antson’ny Fitondram-panjakana hitarika sy/na handray anjara mavitrika miaraka amin’ny Ministeran’ny Fanavaozana mba handrindra ny fifanakalozan- kevitra miaraka amin’ny Mpiantsehatra sy antoko politika mba hananantsika fomba fiasa, lalàna ary rafitra mahaleo tena “vaovao” ao itokisana hikarakara ny fifidianana rehetra mbola ho avy.
Noho izany tsy ekena ary heverina ho fandaniam-poana ho an’ity Firenena efa sahirana ity ny fanoloana Mpikambana eo anivon’ny CENI izay tsy azo itokisana ary tsy misy asa ho ataony akory. Manantena izahay fa handray sosonkevitra ny Fitondrana indrindra ny Filohan’ny fanavaozana sy ny Praiministra voavao amin’ity fanehoan-kevitra fanairana ity.
Ho an’ny taninjanaka
Ireo Fikambanana 81 manao sonia :
MOUVEMENT ROHY
Aingasoa
AJA Consortium des Jeunes
AJMAF
AJPEA
ANF
ANTSO AVO (3A)
ASPRODROHOME
Association GAM
AVG
BEMIRAY
BETSILEO MIRAY
CCOC
CIA
CMLF/FIVOY
CNPE
CODE Menabe
COJEAA
CPJ
DRV
FAFAMA
FAFINO Liantsoafarmer
FANANTENANA
FANARENANA
FANJAVA
FANOTSAFA MIVANTAGNA(FAMI)
FARM
FBMM
FI TA HA FA
FIANTSO Madagascar
FITEAM
FIZAFA
FMGFAA
FSMM(Fikambanana Sembana Miara-Mandroso Mandritsara)
FTFA
FTMF
FTZATFI
FVTM
GTS
HINTSY
JAI
JOHARY
Magnova
Maintimolaly Tsiroanomandidy
Matsilo Saina
MAVITRIKY
MIARAKA
MILAZARA
MONEPT
MOVE ON
Mpamboly lavanio
MSIS-Tatao
NOSY W
Observatoire de la Jeunesse Betsiboka
ONDH
ONG AIM
ONG FANANTENANA
ONG FANDROSOANA
ONG FANEVA
ONG HASINA
ONG IVORARY
ONG Ravintsara
PFNOSCM/VOIFIRAISANA
PSBED
Réseaux des jeunes Anosy
RIVAH
RMH
RNGM
SAF/FJKM
Safirisoa
SARIAKA AVARATSENA
SIF
SOAMAMY
Soamiray
TAFA MIRAHINA
TAFITA
Tanora Maneho Kanto
TANORA MIANDRA
TANORA MIRAY
TATAMO
YMCA
