FANAMBARAN’NY FIRAISAMONIMPIRENENA SY IREO VONDRONA ARY FIKAMBANANA TANORA

Anio, 28 aprily 2026

Antso maika ho an’ny tetezamita ifanarahana, mangarahara sy mampiaty ary ny fanavaozan-drafitra

Fanavaozana fomba fiasa sy rafitra efa tsy mahomby sy nahatonga gaboraraka an-taonany maro notakiana fa tsy fanovana tsangan’olona na vondron’antoko mifampiaro tombontsoa fotsiny ihany.

Velom-panahiana be ny Firaisamonimpirenena sy ireo vondrona ary Fikambananana tanora maro satria tsapa ny tsy firosoan’ny fanaovaozana. Enim—bolana taorian’ny nirodanan’ny Fitondrana teo aloha ary nandrombahan’ny Mpitondra ankehitriny ny fahefana dia tsy hita soritra mihitsy ilay fanavaozana ny fomba fiasa sy ny rafitra fitantanan-draharaha afa-tsy any anaty kabary tsara lahatra zara raha misy tanteraka. Tsy mazava ny lalan-
kizoran’ilay tetezamita ho an’ny fanavaozana fa tsapatsapa miainga amin’ny fanapahan-kevitra tsy misy teny ierana ary tsy mangarahara no manjaka.

Mampanahy ny zava-misy : Fanomezana vahana ny olona sy rafitra efa tsy nahitam-bokany ary nampihitsoka ny firenena ao anaty fahantrana lalina, gaboraraka amin’ny fananam-bahoaka amin’ny iraka misy fandaniana mihoampampana, tsy fangaraharahana amin’ny fitantanana manome vahana ny kolikoly isan’ambaratongany tsy itondrana valiny, ny tena loza dia fihemoran’ny fahalalahana maneho hevitra sy manao fihetsiketsehana ary fiverenan’ny faneriterena ny fanehoan-kevitra sy ny ramatahora ary koa ny fisamborana tsy an-drariny sy tsy ara- dalàna ireo tsy mitovy hevitra na manakiana, ny fiverenan’ny fiheverana ny mpitondra ho mesia izay manosika any amin’ny fitondrana tsirefesimandidy.

Manoloana izany dia mamerina manamafy ary manambatra feo izahay ka mitaky :

  • Fitarihana haingana ny Fikaonandoha (Pré-concertation) hamaritana miaraka ny zotra sy fomba fiasa mandritra ny tetezamita na ny « Satan’ny tetezamita ho an’ny fanavaozana ».
  • Io “Satan’ny tetezamita ho an’ny Fanavaozana” io no hampiato ny Lalampanorenana ankehitriny ka hamaritra ny lalan-kizorana, ny paikady ary ireo rafitra hiasa mandritra ny tetezamita hanoloana ireo efa tsy mahomby (HCC, AN; CENI) ary zary SAKANA tsy mampahomby ny Fanavaozana. .
  • Omena laharapahamehana ny tanora handray andraikitra avy hatrany amin’ny fanavaozana ka farafahakeliny 30% no anjaran’ny tanora amin’ireo Rafitra vaovao fanapahan-kevitra mandritra ny tetezamita (Ohatra : Ny Antenimieran’ny tetezamita ho an’ny fanavaozana)
  • Fanavaozana ny lalàna sy ny rafitra mikarakara ny fifidianana (HCC sy CENI) izay manome vahana kokoa ny fahaiza-manao sy ny fahitsiana fa tsy ny fisoloantena ka sivanina ary tsongaina amin’ny alalan’ny fanadihadiana ampahibemaso alefa mivantana amin’ny haino aman-jerim-bahoaka ireo Mpikambana rehetra.
  • Tena ady amin’ny kolikoly miainga amin’ny fomba fiasa mangarahara sy ny tamberin’andraikitra. Fandaniana ireo lalàna ahazoana ny antontam-baovaom-panjakana, fiarovana ny mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakilosy. Fanaovana tatitra ara-potoana ny fandaniana ny volam-bahoaka ka modely mitarika izany ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
  • Fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ka ampiakarina ny tetibola omena sy tantanan’ny Fitondrana ifotony (Kaominina) mivantana mba hamaliana haingana ireo filana fototry ny mponina. Apariaka any amin’ny faritra sy eny ifotony ireo mpiasam-panjakana mivangongo sy tsy dia misy atao aty anivon’ny Ministera foibe.
  • Atsahatra ny fanaovana ramatahora sy ny fisamborana ireo tanora sy izay rehetra maneho hevitra amin’ny fihetsiketsehana ankalamanjana. Saziana ireo mpitandro ny filaminana na tompon’andraikitra tsy manara- dalàna manao habibiana sy herisetra eo am-panaovana ny andraikiny (fisamborana na fitsirihana).

Mampahatsiahy ny tanora sy ny firaisamonimpirenena fa raha Mpitondra vonona hanao ny rariny sy ny hitsiny sy hitondra fanavaozana tokoa dia tsy maintsy manatsahatra ny fomba fiasa sy ny rafitra izay efa namotika ny firenena ary nampahantra ny vahoaka malagasy. Andriamatoa Filoha (PRRM) : Fahasahiana mametraka ny tetezamita ho an’ny fanavaozana sy rafitra vaovao mampandray anjara ny tanora amin’ny fanapahan-kevitra no
ilaina sy takiana aminao.

Ireo manao sonia :

  • Mouvement ROHY
  • Gen Z Madagascar
  • Gen PACIF
  • ZMR
  • RJDD
  • Gen Y (VATO)
  • TFM
  • MJC
  • Dis Moi
  • Mouvement Jeunesse et Citoyenneté
  • Réseau des Jeunes Obs Mada Analamanga
  • Association Move On Androy
  • Plateforme RAFIA Melaky
  • Vohifiraisana Analamanga
  • TNMF
  • PSBED
  • TAFA Madagascar
  • OSC Magnarigny
  • PFROSC Betsiboka
  • Réseau des jeunes Obs Mada Betsiboka
  • Association des Femmes Leaders Betsiboka
  • Réseau des jeunes Obs Mada Menabe
  • Association FAGNIMBOGNA
  • Association FITEAM
  • Association AJMAF Farafangana
  • Plateforme des Jeunes MAROANDAVAKA Atsimo Atsinanana
  • Association Jeunes Miara-Miasa Farafangana (JMM)
  • Association des Jeunes Promoteurs en Tourisme Durable Farafangana (JPTDF)
  • Association des Jeunes Sportifs M’noir Farafangana (ou JSM)
  • Réseau des Jeunes Obs Mada Atsimo Atsinanana
  • Réseau des jeunes Obs Mada Vatovavy
  • Association Tanora Miray
  • MSIS-TATAO
  • TAFO MIAAVO
  • Transparency International-Initiative Madagascar (TI-IM)
  • CCOC
  • FANONGA FOKONOLONA
  • ONG TOLOTSOA
  • ONG IVORARY
  • FTMF
  • Réseau Malgache du Handicap
  • Association FoRCHES
  • FOCUS Developemnt
  • Association Miavotena Sambava
  • SAVA REPORTERS
  • ONG 3A
  • PFR OSC SAVA
  • PSC SAVA
  • FIVEHITA Sambava
  • ONG Grean Team Mada
  • Action Sans Frontières
  • Réseau des jeunes Obs-Mada Atsimo-Andrefana
  • Association ACSEE Diana

Laisser un commentaire