You are currently viewing Hetsika ROHY

Hetsika ROHY

Miroso hatrany amin’ny fametrahana firaisamonim-pirenena matanjaka, azon’ny olompirenena ianteherana, tsy azo ihodivirana na dia maro aza ireo sehatra efa iasàna sy iraisana feoNanatontosa fivoriambe ny Hetsika Rohy ny 26 aogositra 2021. Tamin’io fotoana io no nanaovana jery todika ireo asa lehibe natao nandritra ny taona 2020 sy ny fandrosoan’ny asa natomboka tamin’ity taona 2021 ity, izay niompana tamina sehatra fampandrosoana samihafa:

🎯 Fangaraharahan’ny fampiasana ny teti-bolam-panjakana

🎯 Fitsinjarampahefana

🎯Lafiny maha-olona

🎯 Fanosehana ny fitarihan’ny tanora hisehatra bebe kokoa amin’ny fiainam-pirenena ary hampanjaka filaminana maharitra

🎯 Fiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy mpisitona lakolosy

🎯 fametrahana ny sehatra na rafitra iombonana mikasika ny fampandrosoana lovainjafy na ny ODDAnkoatra izay dia nifantohan’ny fifampizarana ihany koa ny dingana lehibe hatrehan’ny hetsika ROHY izay mikasika indrindra

🎯 ny famolavolana ny paikady ho an’ny 5 taona ho avy

🎯 ny fanatsarana ny fitantanana sy ny rafitra iarahan’ny fikiambanana avy amin’ny fiarisamonim-pirenena miatrika ireo lokanady iankinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Anisan’ny tanjona goavana amin’io dingana io ny firosoana eo amin’ny fametrahana firaisamonim-pirenena matanjaka, azo ianteherana, tsy azo ihodivirana sy mampiray feo ary indrindra ny fanamafisana ireo tambazotra mivondrona ao aminy ho afaka hiatrika amin’ny sehatra rehetra, na eto an-toerana na ny iraisampiranena.Nandritra izany koa no nanatanterahana ny famindram-pitantanana amin’ireo firaisamonim-pirenena telo : SAF/FJKM (lien siteweb et identification FB), ONG SAHA (lien siteweb et identification FB), FVTM(lien siteweb et identification FB), izay hitanantana ny hetsika Rohy mandritra ny enim-bolana manaraka.

Laisser un commentaire