You are currently viewing FAMETRAHAM-PIALANA NOHO NY FANAJANA NY SOATOAVINA : TSY MANAIKY NY FANALEFAHANA<br>NY HERIN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY (PAC) NY FIRAISAMONIMPIRENENA

FAMETRAHAM-PIALANA NOHO NY FANAJANA NY SOATOAVINA : TSY MANAIKY NY FANALEFAHANA
NY HERIN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY (PAC) NY FIRAISAMONIMPIRENENA

FANAMBARANA
FAMETRAHAM-PIALANA NOHO NY FANAJANA NY SOATOAVINA : TSY MANAIKY NY FANALEFAHANA
NY HERIN’NY FITSARANA MISAHANA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY (PAC) NY FIRAISAMONIMPIRENENA

Korontana ara-pitantanana no ateraky ny lalàna laharana faha 2021-015 05 aogositra 2021 (Lalana « Idealson »), ka mamotika ireo ezaka rehetra natao nandritra ny taona maro, tamin’ny nametrahana ny rafitra miady amin’ny kolikoly, indrindra ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na PAC. Noho izany izahay Firaisamonimpirenena, manao sonia izao fanambarana izao, dia manao antso avo sy misintona ny sain’ny mpisehatra rehetra amin’ny zava-doza ateraky ny hetsika sy ny fanapahan-kevitra manohintohina ny fahaleovan-tenan’ny fitsarana.

Tianay ny mampatsiahy fa ny komiti-panombanana eo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na CSE (Comité de Suivi-Evaluation) PAC dia mitàna ireto andraikitra manaraka ireto :

  • Miantoka ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny PAC;
  • Miaro ny fahaleovan-tenan’ny PAC;
  • Manatanteraka ny fandraisana ireo mpitsara vaovao handrafitra ny PAC, izay iarahana amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Mpitsara na CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature)

Ankehitriny anefa dia tsapa fa ny fandaminana vaovao mikasika ny mpikambana ao amin’ny CSE PAC, araka ny voalazan’ny and. 39 ny lalàna Idealson, dia tsy miantoka intsony ny fahaleovan-tenan’ny PAC. Mijanona ho mpanaramaso fotsiny ihany ny BIANCO sy ny SAMIFIN. Novain’io lalàna io ihany koa ho fakan-kevitra fotsiny ihany ny CSE PAC amin’ny fanapahan-kevitra mikasika ny fanaovazana ny fotoam- piasan’ny Mpandrindra ny PAC. Ny fanovàna natao dia tsy miantoka ny fahaleovan-tena ny PAC sy ny fahamarinana amin’ny fandraisana ireo mpitsara hikambana ao amin’ny PAC. Ireo fanapahan-kevitra ireo dia naverina eo anivon’ny CSM izay ny fiadidinan’ny Repoblika no manapaka ny lahadinika sy ny fampandehanan-draharaha. Hatramin’izao ihany koa dia tsy mbola voatendry ny solon-tenan’ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny CSM na dia teo aza ireo fampatsiahivana maro natao sy ny fandrosoana soson-kevitra momba ny fikarakarana izany teo anivon’ny Ministeran’ny fitsarana.

Tamin’ny fotoana nanatanterahana ny fanambarana mikasika ny fahataperan’ny fotoam-piasan’ny Mpandrindra Nasionaly ny PAC, dia nanome ny heviny mandany ny fanavaozana ny taom-piasany ny CSE PAC. Araka ilay fanambaran nataon’ny Komity mitandro ny fahitsiny na ny CSI tamin’ny 17 jona 2022. Raha no tokony ho izy dia resaka fitantanana sy ny fomba fiasan’ny CSE no lahadinikin’ny fivoriana notanterahana ny 10 Martsa 2023. Tsy nisy fampiantsoana lahadinika mazava anefa. Rehefa tsy tonga nanatrika ny solontenan’ny firaisamonim-pirenena, dia niova izany ka famerenana fandinihana hevitra efa tinapaka. Araka ny tapaka tamin’io dia nanjary tsy nanaiky indray ny fanavaozana ny fotoam- piasanan’ny mpandrindra Nasionaly ny PAC ny CSE ary nanapaka fa hanao ny antso fandraisana ny 2 mpitsara hikambana ao amin’ny PAC rehefa lany ny fotoam-piasan’ireo teo aloha. Araka izany, dia nanao fanambarana maneho ny fahataperan’ny taom-piasana ireo mpitsara mandrafitra ny PAC ny filankevitrin’ny ministra tamin’ny 15 Mars teo Namoaka ny antso fandraisana mpitsara vaovao handrafitra ny PAC ny Mpandrindra Nasionaly ny PAC 17 Mars. Didim-panjakana noraisina nandritra ny Filankevitrin’ny Ministra no nanendrena ireo lehiben’ny fitsarana araka ny soso-kevitrin’ny CSM. Raha ny tokony ho izy dia mitovy ny zotra fanendrena sy ny zotra fanaperana ny taom-piasana.

Raha dinihana ny zava-misy, haharitra fotoana maro io fanovana mpitsara io, ary hampikatso ny PAC amin’ity taona 2023 ity, izay fantatra fa tsy misy Filoha, Tonia mpampanoa, miampy ireo anjara toerana hafa tsy misy miandraikitra. Maneho ny tsy maha rariny ny zava-misy eo anivon’ny komity mpanara- maso ny PAC izahay, araka izany, izay mampihena ny risi-pon’ireo mpitsara ary manosika azy ireo hiala eo anivon’ny PAC. Manaraka izany, manameloka ireo tsindry entina amehezana ny PAC ihany koa izahay, toy ilay raharaha nahakasika ny Ben’ny tanàna tany Vavatenina. Hamafisinay ny fanohananay ny fahaleovantenan’ny fitsarana, ary manainga ny manam-pahefana voakasika rehetra hanajanona izay rehetra mety ho endrika tsindry manokana sy antsonjay , indrindra amin’izao vanim-potoana manakaiky fifidianana izao.

Tsapan’ny firaisamonimpirenena hatramin’izay ny fanomezan-danja azy manokana amin’ny famelana azy hifanakalo hevitra, toy ireo Filohan’ny Andrim-panjakana sy ireo Filohan’ny Fitsarana, eo anivon’ny Komity mpanara-maso ny PAC. Ankehitriny anefa, tsikaritra fa sarintsariny fotsiny sisa ny fahafahan’ny firaisamonimpirenena mandray anjara eo anivon’io Komity io, satria dia tsy nomena lanja firy intsony ny fanehoan-kevitray. Tsy te hiray tsikombakomba izahay amin’ny fanimbana ny rafitra efa napetraka, amin’ny fampiroboroboana ny tsy maty manota raha ny fahitana ireo fangatahana fanenjehana izay tsy nisy tohiny akory, ka noho izany dia niara-nanapa-kevitra izahay fa hiala tsy ho mpikambana intsony ao amin’ny Komity mpanara-maso ny PAC. Ny fampitsaharana ny PAC izay efa misy fotoana kendrena manokana ihany koa dia tsy mifanaraka velively amin’ny fanambaran’ny manam-pahefana fa kolikoly tsy misy indrafo no eto amin’ny firenena, ary mifanohitra tanteraka amin’ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana, izay tokony hitondra an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana lovain-jafy, tsy manavaka an’iza na iza.

Manentana izahay ny hamerenana indray ireto fehin-kevitra manaraka ireto, raha heverina ny fiverenanay eo anivon’ny Komity mpanara-maso ny PAC:

  • Ny fiverenana amin’ny fomba fiasan’ny Komity mpanara-maso ny PAC talohan’ny lalàna Idealson ;
  • Ny fametrahana fitsipika anatiny eo anivon’ny Komity mpanara-maso ny PAC;
  • Ny fanekena sy fanajana ny anjara asan’ny vondrona tsirairay ao anatin’ny ady amin’ny kolikoly ;
  • Ny anajanonana tsy misy hatak’andro ny tsindry hazo lena amin’ireo mpitsara ao amin’ny PAC ;
  • Ny fametrahana dingana fampidirana mpitsara tsy mitanila, ary tsy miankina amina fepetra ivelany ;
  • Ny fametrahana ny PAC Fianarantsoa ary fanendrena ireo mpitsara voatendry nanomboka ny volana jona 2021.

Antananarivo, faha 24 Martsa 2023

Ireo firaisamonimpirenena manao sonia ny fanambarana :

  • Alliance Voahary Gasy (AVG) ;
  • Gny To tsy mba Zainy ;
  • Centre d’Echanges, de Documentation et d’Information Interinstitutionnels (CEDII) ;
  • Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes (CCOC) ;
  • Komity Mpanara-maso ny Fifidianana
  • Fanabeazana Olompirenena -Comité National d’Observation des Elections-Education des citoyens (KMF-CNOE) ;
  • Mouvement pour l’Ethique et la Déontologie de Madagascar (MEDEM) ;
  • MSIS Tatao ; – ONG Life Giving Water (ONG LGW) ;
  • ONG IVORARY – Integrity for Development ;
  • ONG RAVINTSARA ; – ONG TOLOTSOA ;
  • OPTA Olom-Pirenena Tompon’Andraikitra ;
  • Plate Forme Nationale des Organisation de la Société Civile (PFNOSC) ;
  • Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG); – Mouvement Rohy

Laisser un commentaire