You are currently viewing Hetsika Rohy

Hetsika Rohy

Miroso hatrany amin’ny dingana fanamafisana sy fanatsarana ny drafitra stratejika ho an’ny Firaisamonim-pirenena Malagasy mandritra ny dimy taona ho avy 2021-2026 ny hetsika ROHY. Izany no natao dia mba iatrehana ny fiainam-pirenena sy ny fidirana an-tsehatra mivantana amin’ny asa fampandrosoana ary indrindra ny fitakiana sy ny fiarovana ny tombotsoam-bahoaka. Izany dia hotanterahana amin’ny alalan’ny atrikasa iraisam-paritra mandritra ny roa andro eto Toliara ny 21 sy ny 22 oktobra.

Mpandray anjara 50 avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Anosy, Androy, Ihorombe no miatrika io atrikasa io. Tao anatin’izany indrindra no nampatsiahivina ireo dina iombonan’ny firaisamom-pirenena Malagasy izay antom-pihorenan’ny hetsika Rohy.

Ny fiaraha-mientana miaraka avy eny ifotony sy ny fifandrindrana ary ny fifarimbonana ao anaty drafitra ara-strategika voarindra no antoka ahafahanan’ireo mpisehatra ao amin’ny Firaisamonim-pirenena ho tompon’ny firotsahana sy ny fanamby iantohana ny fanatratrarana ny tanjon’ ny fandrosoana lovainjafy.

Laisser un commentaire