FANAMBARAN’NY FIRAISAMONIMPIRENENA
Antananarivo, faha 18 febroary 2026
Efabolana izay no nitsirian’ny fanantenana teto Madagasikara taorian’ny tolon’ny olompirenena sy ny firodanan’ny Fitondrana feno kolikoly sy tsy mari-toerana teo aloha, nohon’ny fanitsakitsahana ny demokrasia, ny tsy fanajàna ny zo fototra maha-olona ary ny fifidianana marisarisa.
Ankasitrahana sy ankaherezina ireo tsara vita toy ny fitsinjovana ny mpiasampanjakàna tamin’ny nanondrotana ny karama, ny ezaka fampihenàna ny delestazy lava reny amin’ny faritra samihafa,famoahana ny gadra politika, ny fiandohan’ny famongorana ny fahavalompirenena izay tsy tokony atao
mitanila, fananganana ny ministeram-panjakàna momba ny fanavaozana, ezaka diplômatika nahafahana nitandro sy nanohy ny fifandraisana iraisampirenena, fitandrovana ny firaisankinan’ny miaramila sy ny mpitandron’ny filaminana, fitsinjovana ireo tena marefo ka isan’izany ny fandraisana andraikitra maika (réponse d’urgence) ho an’ireo traboina noho ny loza voajanahary, fitsinjovana ny tontolo iainana tamin’ny fanitarana ny faritra arovana ary ny fanapahankevitra namiliana ny lalambe mikodàna tsy hanivatsiva ny tandavanala fa ho famoahana ny vokatra vary « Route du riz ».
Ankehitriny anefa, velompanahiana indray ny olompirenena : manjavozavo ny fanavaozana nandrandraina sy nanaovana vy very ny aina. Tsy mazava ny momba ny fiaraha-midinika sy ny teny ierana mahakasika ny làlan-kizorana sy ny fomba hitantanana ny tetezamita. Sarona anaty kabary zary kilalaonteny izany, ka ahely fa tsy anatin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita i Madagasikara ankehitriny ary mbola ao anatin’ny Lalampanorenana. Tsahivina anefa fa ity fitondrana ity dia vokatry ny tolon’ny olompirenena ary mbola tsy nosedraina tamin’ny alalan’ny fifidianana.
Tsapa araka izany fa :
- Maro ireo fanapahan-kevitra, fanehoan-kevitra ary tranga avy amin’ny mpitondra no tsy manaraka ny làlampanorenena, tsy mangaharaha ary tsy miainga amin’ny dinika iarahana. Hita izany amin’ny fanendrena tomponandraikitra ivelan’ny mason-tsivana mazava, maneho kitranoantrano, ary manome vahana ny tombontsoan’ny vondron’olona miavaka, na ara-politika sy na ara-toekarena.
- Ambanin-javatra ny fihenoana ny hevitry ny olompirenena. Mandray fanapahan-kevitra ho fiarovana ny tombotsoan’olom-bitsy ny mpitondra, raha ny taratra amin’ny fivezivezena matetika any ivelan’ny Madagasikara izay entina hitadiavana fifanaraham-piaraha-miasa tsy mazava.
- Mibahana amin’ny fihetsika sy ny lahateny ny kajikajy ara-politika hamikiran-toerana maharitra.
Io fomba io no manjary mibaiko ny asa ataon’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany.
Marefo ny fifampitokisana, mibaribary ny tsimatimanota
Vokatr’izao toe-draharaha izao dia miha-marefo ny fifampitokisan’ny olompirenena sy ny mpitondra fanjakana ary indrindra ny fahatokisan’ny olompirenena ny zotran’ny fanavaozana. Hita taratra amin’ireo trangam-piarahamonina izay mihamafy sy mahery vaika. Singaninina amin’izany ny tranga : fitsaram-bahoaka mahatsiravina tao Vakinankaratra (febroary 2026), izay endriky ny fivilian-dàlana mety hateraky ny fiarahamonina tsy misy mpitarika sy tsy voafehin’ny lalàna intsony. Mampibaribary koa ny tsy fahatokisana lalina ananan’ny vahoaka amin’ny rafitra ofisialy misahana ny fiarovana, ny rariny sy ny filaminana.
Ireny fitsarambahoaka mahery vaika ireny, laroina tsaho ary saronan’ny fahanginanan’ny mpitondra, dia mampiharihary ny tsimatimanota, izay manosika ny olompirenena hihevitra fa azony raisina mivantana ny andraikitry ny Fitsarana.Tsy tranga tokana akory izany, hany ka mampametra-
panontaniana momba ny andraikitry ny mpitondra sy ny fahafahan’ny andrimpanjakana miaro sy mitsara am-pahamarinana.
Mampanontany tena koa ny momba ny fetran’ny tetezamita izay mbola mandalo fahasahiranana amin’ny famerenana ny fahefan’ny Fitondrana sy ny fitokisan’ny olompirenena rehetra.
Noho ireo antony ireo no anaovanay firaisamonim-pirenena fitakiana mba ho fiarovana ny tolona niaraha-nanatanteraka ho tombontsoa ambony sy maharitry ny firenena sy ny olompirenena rehetra.
Hevitra hiatrehana ny Fanavaozana
Ireto no soso-kevitra fototra dimy heverinay manan-danja hiatrehantsika ny Fanavaozana marina.
- Fanantanterahana haingana ny fikaonan-dohampirenena iaraha-midinika sy hanaovana teny ierana ny vina, ny iraka, ny tanjona sy ireo lahara-pahamehana ary ny fomba fanatanterahana ny asa mandritra ny fitondrana tetezamita. Tamin’ny fifampiresahana voalohany niarahana tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara dia naneho fahavononana izy hametraka fifampidinihana mba ho marimpototra ny fitondrana tetezamita tarihiny sy hazava ny ny lalan-kizorana. Tsy tanteraka izany ankehitriny, ary hita toa efa mifikitra sy mamatotra ireo hery ara-politika sy ara-ekonomika vitsivitsy izay nahazo toerana sy tombontsoa noho ilay fametrahana governemanta ankamehana, tsy niainga tamin’ny fiaraha-midinika.
- Ireo filàna notakiana nandritra ny tolona no atao lahara-pahamehana hotanterahin’izao fitondrana izao. Ohatra amin’izany ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny jiro sy rano tsara kalitao sady takatry ny daholobe, ny fametrahana fitantanana mangarahara, ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly na eo amin’ny fitantanana ara-bola, na amin’ny fomba fanapahan-kevitra ho an’ny raharaham-pirenena, na amin’ny fitsinjaram-pahefana. Tsy manao fifanarahana mamatotra ny firenena amin’ny lavitr’ezaka1, satria fitondrana mari-toerana avy amin’ny fifidianana eken’ny rehetra no miandraikitra izany, na farafahakeliny fitondrana manatanteraka tondrozotra vokatry ny fiaraha-midiniky ny rehetra sy ny teny ierana.
- Hafainganina ny fanavaozana ny andrim-panjakana sy ny làlana samihafa ka lehibe amin’izany ny dinika mety hanovana ny lalàm-panorenena ; ny fanafoanana ireo andrim-panjakana « manery ny fanapahan-kevitra » hiarovana ny toerany sy ny tombotsoany toy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Antenimierampirenena (AN) ; ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana sy ny lisi-pifidianana mba ho voatazona ny fampanantenana hoe 24 volana ihany no faharetan’ny fitondrana tetezamita. Izay no ahafahana mametraka ny fitondrana miainga amin’ny fifidianana marina sy andraisan’ny rehetra anjara ka hampiverina ny fahatokisan’ny olompirenena ny zotry ny fanavaozana. Marihina fa mila 12 volana raha haingana indrindra, raha ny fanavaozana ny lisi-pifidianana fotsiny. Betsaka ny fanehoana ny tsy fahatokisana ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ankehitriny, ka mila heverina haingana ny fanavaozana ny Rafitra mikirakira ny fifidianana.
- Aoka hanao fanambarana ampahibemaso mazava ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara raha hilatsaka ho fidiana na tsia mba tsy hisy firoaroan-tsaina amin’ny mety ho fitaka1 Ny permis minier avoakan’ny régime de transition ohatra dia tokony tsy manan-kery mihoatra ny période de transition.any aoriana. Raha tena “fitiavan-tanindrazana fa tsy fitiavan-tena” araka ny voalaza no andraisana andraikitra, dia takianay firaisamonimpirenena ireo mpanao politika na olompirena misahana andraikitra ambony eo anivon’ny Fitondrana ankehitriny tsy hirotsaka hofidiana amin’ny sehatra nasionaly (Depiote, Loholona, Filohampirenena). Izany dia hisorohana ny fampiasana fahefana, fitaovana, sy ny olona ary ny volam-panjakana mandritra ny fitondrana tetezamita mba hahazoany tombony manokana amin’ny fifidianana manaraka. Efa niadiana ary lavina marindrano rahateo ny fiifanoheran’ny tombontsoa (Conflits d’intérêts) satria mampanjaka ny kolikoly sy ny fitiavan-tena.
- Hafainganina ny fandraisan’andraikitra mazava sy hita maso avy amin’ny mpitondra, amin’ny fanamafisana ny filaminana sy ny fitsarana ara-drariny sy ara-potoana. Ny fanamafisana ny fisian’ny mpitandro ny filaminana, ny fandraisana andraikitra haingana sy tsy mitanila amin’ny raharaha heloka bevava, ary ny fampahafantarana mazava ny olompirenena dia hisorohana ny fitsarana an-dalambe sy hamerenana ny fitokisan’ny olompirenena amin’ny Fanjakana. Ny tsy fandraisana andraikitra na ny fahataràna dia ahiana hampitombo ny y herisetra sy fahapotehan’ny firaisankina.
Ireo no miantoka ny fanatsarana ny fitondrana tetezamita ankehitriny, ny fametrahana fototra tsara sy maharitra ho an’ny fanavaozana ny firenena. Ireo koa no hamelona indray i fanantenana ny fiharenan’i Madagasikara, lavitry ny krizy politika lavareny izay mihazona ao anaty fahantrana.
Ireo koa dia hanafoana ny fitondrana miainga amin’ny fitiavan-tena mamotika firenena ka manome vahana ny “didy jadona” sy “tia kely” ataon’ny karazan’olona samihafa, ary indrindra ny fambaboana fanjakana (capture de l’Etat), izay varavarana misokatra ho an’ny kolikoly sy famoretana amin’ny endriny rehetra.
Ho an’ny tanindrazana sy ny taninjanaka dia mandray andraikitra ny firaisamonim-pirenena mijoro ary miteny an-kalalahana sady tsy mijery arina an-tava mba hananana fitondrana mari- pototra sy maharitra isika.
Fikambanana miisa 329 manao sonia :
Mouvement ROHY
A.A.M
A.JE.DI.FO (Association des Jeunes Diplômés de Fort-Dauphin)
Actions sans frontières
AFAFI
AJAS SOanirana Ivingo
AJBR à Besalampy
AJEF (Association des Jeunes Électriciens de Fort-Dauphin)
AJL Mahajanga
AJPM Vonona Melaky
Ala maitso Melaky
ALJM Atsimo Atsinanana,
Alliance AIKA
AMA Androy
AMBININTSOA
Ampela Miray Asa, les Héritiers du sud
Ampela MIVEY VATA Androy
ANJARASOA Melaky
Aska
ASS KINGASAY
Ass Tantsaha miavotra
Association Ezaka Fanantenana.
ASSOCIATION AESA
Association Aina
Association Aina miray
Association AMBININTSOA
Association Ankizy
Association Apro
Association AROFANINA
Association ASPF
Association Avotra miaradia.
Association des Femmes Leaders Betsiboka
Association des Jeunes Créatifs et Innovateurs (AJCI) Sofia
Association des Jeunes Dynamiques
Association des Jeunes dynamiques Vondrozo
Association des jeunes et Femmes Environnementaliste Androy,
Association DIARAIKY
Association Ezaka
ASSOCIATION FAMELOGNO
Association FAMELONA
Association Famille Verte
Association Fanambinantsoa
Association Fanamby
Association FANAMBY Anosy
Association Fanantenana
Association Fanilo
Association FANJIRY Tsihombe
Association FANOITRA- TOLIARA
Association Fanomezantsoa
Association FEFFI TAFITA
Association FIAMA VAOVAO Moramanga.
Association Finaritra.
Association Fiombonana
Association Fisemia.
Association FITEA
Association Fitia Faniriantsoa
Association Fitily
Association Fivemi
Association GRPRESANTE
Association Handroso
Association HARENA,
Association IZARA Antsirabe
Association JAD
Association JOHARY
Association Liantsoa
Association MADACOEUR
Association Mahasoa.
Association Mahatoky
Association MAHAVOKATRA
Association mandray andrakitra
Association Mevasoa
Association Miaramiezaka
Association Mihary
Association miraihina
Association Mirindra
Association Mitsinjo Arivonimamo
Association Mitsinjo.
Association Mivoatra.
Association Move on
Association NYFINOHA
Association Sambiamanagna
Association SAPHIRD (Socle d’Appui pour les Personnes Handicapées Inclusif dans le
Respect des Droits)
Association SEMBANA MIRAIHINA
Association SMART
Association Soa Iombonana
Association Tanora Miavotra
Association Tantsaha Mikôhy Fandrosoa (TAMF)
Association TATAMO
Association Tohana I
Association Tsimbina
Association Tsiry
Association Vehivavy Miaradia
Association Voary Maitso
Association Vonantsinana
Association Y-connect
Association Y-connect Fitovinagny
ATEFA Androy
AVAGNA Maroantsetra
AVAGNA Maroantsetra Région Ambatosoa
AVARA
AVG
BIMTT
CCOC
CEDII
CINQ FRÈRES AMBOASARY SUD
CJV VONONA Melaky
CNPE
Coalition Nationale des OSC pour la Pêche et Économie Bleue (CNOSCPEB)
COJEAA Atsimo Andrefana
Comité de Sages
Consortium des Jeunes VONONA MELAKY
Coop JAVA
Coopérative Ainga.
Coopérative Avotra.
Coopérative Ezaka 2
Coopérative Fanambinana
Coopérative Fanamby
Coopérative Faneva B
Coopérative Fanilo
Coopérative Fanirisoa
Coopérative Fitahiana
Coopérative FMTV.
Coopérative KATAMA
Coopérative Liantsoa
Coopérative Manda
Coopérative Mendrika.
Coopérative Miaradia
Coopérative Miaramandroso.
Coopérative Miarantsoa.
Coopérative Mikolo
Coopérative MIRAY
Coopérative Mirindra
Coopérative Reny Miavotra
Coopérative Safidy.
Coopérative Tafa.Coop Ascari.
Coopérative Tamia
Coopérative Tanjona
Coopérative Tantsaha Miarina
Coopérative Taratra vatosoa.
Coopérative Tmf
Coopérative Tsimoka.
Coopérative Vomifaf
Coopératve FAHASOAVANA Androy
Croix Rouge
CROSCPEBRA
DIAMIRA Melaky
DRV
EDSM Moramanga
FAFAMA Moramanga
FANEVAN’ANKAY Moramanga
FANJIRY Tsihombe
FANONGA FOKONOLONA
FBBM
FBMM (Fikambanam-Behivavy Malagasy Mihaotra)
FDA (Focus Development Association)
Fédération de Pêcheurs TAMBATSY MASOARIVO
Femme AVOTRA à MANOMBO
Femme FANANTENANA Ankelilaly
Femme MIRARISOA à SAHOANY
Femme MIRAY à Benjavilo
FFTA Miandrivazo
FIANTSO
Fibetsi Melaky
FIFADEVA Vavatenina
FIHAME Melaky
FIHAROA à SAHOANY
Fikambanan’ny mpanao gazety tsy miankina,
Fikambanana AFAFI
Fikambanana Mpagnazary
Fikambanny zokiolona,
FIMAMA à TRANGAHY (Ankeriky)
FIMIFA Androy
FISEFI Ihorombe
FISEMIA Androy
FITA Moramanga
FITABE à BENJAVILO
FITAIKANDRO SAVA
FITOVE à Mandrozo (VEROMANGA)
FIVOMA à Mandrozo ( Bemokotra)
FIZAMI (TSIMEMBO) MASOARIVO
FTMF
FTMM Melaky
FVT SAVA
GEDY-B (Groupe des Etudiants Dynamiques et Bénévoles) Menabe
GIDEM association
GRPRESANTE Ambovombe Androy
HARENA
HERY Miray
HFKF
HINA
HT7V Manakara Fitivinany
IKM
Kaoperativa TARATRA
Kinanga Mampitohy Androy
Korao à TRANGAHY
L’AFA Melaky
Liberty 32
Mahalomba Melaky
MAHASOA à Ankelilaly
MAZAVA SAINA SAVA
MIAVOTENA SAVA
MIFAMA
MIFIMA Androy
Mirangasoa Melaky
MIRARISOA Androy
Move On Adroy
MSIS Tatao
NOSYW
Ny ASSOCIATION FAMELOGNO
Ny Association IZARA Antsirabe
NY FINOHA
Ny PFROSC Fitovinagny
OBS Mada Anôsy
Obs Mada Ihorombe TTOI
Observatoire National des Droits Humains (ONDH)
ODH Anôsy
ONDH
ONG 3A
ONG 3A SAVA
ONG ADev (Androy Development )
ONG ALT
ONG AVIA
ONG AZAFADY
ONG Déchets et Assainissement
ONG FARAVEHIVAVY
ONG FIVOY BOENY
ONG FLASH MAD
ONG GMOM
ONG HINA
ONG ILONTSERA
ONG IVORARY
ONG SOS AUX JEUNES DE MADAGASCAR
ONG TOLOTSOA
ORDH
OSC Magnarigny Ambilobe
OSCIE
PCDISM Sainte Marie
PFDOSC Mahampy
PFNOSCM (Plate-Forme Nationale des Organisations de la Société Civile)
PFROSC ALAOTRA MANGORO
PFROSC AMORON’I MANIA
PFROSC ANDRIAMBO Fitovinagny
PFROSC Anosy
PFROSC Askagny Atsimo Atsinanana,
PFROSC Betsiboka
PFROSC BOENY
PFROSC Fitovinagny
PFROSC Vakinakaratra
PFROSC VATOVAVY
PFROSC VOIFIRAISANA ANDROY
PFROSCAA (Plate-Forme Régionale des OSC Atsimo Andrefana)
Plate-forme des Organisations de la Societe Civile Moramanga
Plateforme des OSCs RAFIA Melaky
Plateforme FITAVAMI
Plate-forme Loharangitra
Plateforme Régionale de la Jeunnesse Maraondavaky,
PROSC Alaotra Mangoro
PROSC Analanjirofo
PROSC Anosy
PROSCI (Plate-forme Régional des Organisations de la Société Civile Ihorombe)
PSBED
PVTA Androy
RARY ARO KINTANA ATSIMO
Ravintsara
Ren Miray lahatse Androy
RENAFEP MADA
Réseau des jeunes Obs Mada Betsiboka
Réseau des jeunes Obs-Mada Atsimo-Andrefana
RJDL
RJDL Fitovinagny
RMDC
RMH
SAF/Fjkm
SAFIDIM-PO MIRAY Androy
SAMAKA (TSIMEMBO) MASOARIVO
Sambiamanagna
SAPHIRD (Socle d’Appui pour les Personnes Handicapées Inclusif dans le Respect des
Droits)
SAVA REPORTERS SAVA
SEHATRA IOMBONANA HOAN’NY FANANANTANY (SIF)
SFDA (Solidarité des Femmes pour le Devéloppement)
SIF (Sehatra iombonana ho an’ny fananantany)
Simiralenta
Soatiry Melaky
SVA Androy
Syndicat personnel enseignement technique,
TAFA Madagascar
Tafo Mihaavo
TAMAMPIRAPI
Tambazotra Réseau Alliance de l’Education non-formelle
TAMIHO SAVA
Tanjona Melaky
TANORA MIARINA PROJECT
Tanora Mitraoke étoiles Bekily (TA.MI.BE)
TANORA TARATRY NY HO AVY
Tantsaha Mikôhy Fandrosoa (TAMF), Soanierana – Taolagnaro – Anôsy.
TATOVA
TEHEZA Vonona Melaky
TI-MG (Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG)
TMF
TMHB
TNMF
Tranobe gne Fahalalahagny Grand Sud Est
TTOI Ihorombe
TVMA
Vahapiky
Valo martsa,
VAMM Androy,
VARA Androy
Vemimafa
VEZO MISARIAKY à SAHOANY
VOHIFIRAISANA Analamanga
VOI MAHATSARA TRANGAHY
VOI MATEZASOA à Mafiovy
Voi Vonona Melaky
Vonogny
Vonona Androy
VVF
VVMH Moramanga
Y-CONNECT
ZAMAMI à Mandrozo (Andranovao)
